Fanatsarana ny famatsiana herinaratra
Fandraisana ireo vata mpanova herinaratra (Transformateurs) vaovao miisa 2

Nitsidika ny teto amin’ny « Sous-station » Tanà Sud Anosizato ny 2 Aprily 2026, ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas, notronin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale) sy ny JIRAMA.

Manana tanjaka 25 MVA avy, ireto « transformateurs » vaovao ireto.
Hanoloana ny efa tranainy ny 1, ary ny 1 kosa hanampiana tanjaka ny zotra « Tanà Sud ». Marihina fa efa tamin’ny taona 1989 no nanomboka niasan’ireto milina eto ireto, antony mahatonga ny fahasimbana matetika noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana.

Izao dia vokatry ny fiaraha-miasa ho fanohanan’ny Banky Iraisam-pirenena (
#BM) ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fanarenana ny orinasa
#JIRAMA, sy fiahiana ny tombontsoan’ny vahoaka
