Fanarenana ny JIRAMA
✅️ Tontosa teto amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny fifanatrehana eo amin’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny solontenan’ny JIRAMA sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Naharitra adim-pamataranandro 11 mahery ny fihaonana. Ny fitantanana sy fanarenana ny JIRAMA no nifantohan’ireo fanontaniana avy amin’ireo Solombavambahoaka. Teo koa ny firesahana ireo fifanarahana eo amin’ny JIRAMA sy ireo mpamokatra herinaratra sy mpamatsy solika.
➡️ Fotoana nanararaotan’ireo Solombavambahoaka nanamafisana ihany koa ireo fangatahana fampidirana herinaratra, fanazavana ny lalambe sy elakelantrano, ary fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Ankilany, dia nitondra fampahafantarana momba ny drafitra fanarenana ny JIRAMA ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Andriamatoa RALITERA Ny Ando Jurice.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *