Fanarenana ny famatsiana herinaratra eto Toamasina
▶️ Tonga eto Toamasina androany 15 Martsa 2026 ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe.
✅️ Njery ifotony ny zava-misy sy ny fizotry ny asa fanarenana ny tambazotran-jiro eto an-toerana ny tenany. Nandritra izany dia nanolotra fitaovana ho an’ireo teknisianin’ny JIRAMA izy, ho fanohanana ny asa fanarenana eny an-kianja, ka anisany:
🔷️ EPI (chaussures de sécurité, casques de sécurité ary bottes de sécurité),
🔷️ Fanafody sy « trousse de secours ».
✅️ Naneho fisaorana sy fankasitrahana manokana ho an’ireo mpiasa rehetra miasa andro aman’alina amin’ny fanarenana ny tambazotran-jiro ny Sekretera Jeneralin’ny MEH, ary nankahery sy nanohana azy ireo hanohy ny ezaka ataony.
🟩 Nampatsiahy ihany koa izy fa ny tanjona iombonana dia ny hamerenana ny famatsiana herinaratra eto Toamasina alohan’ny 31 Martsa 2026.
📸 DIEH Toamasina