Fanarenana ny famatsiana herinaratra eto Toamasina
🫱🏽‍🫲🏼 Nanolotra vata mpanova herinaratra (Transformateurs) miisa 2 ny « Galana Raffinerie Terminal » (GRT)
👉 « Transformateur » N01 manana tanjaka 2000kVA – 20/0,4kV
 » Transformateur » N02 manana tanjaka 630kVA – 20/0,4kV
❇️ Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P)
✅️ Nandray izany ny 3 Aprily 2026 ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas, ary nanolotra izany teto amin’ny Foiben’ny JIRAMA Toamasina, eto Bazary Be.