Fanomezan-danja ny manam-pahaizana Malagasy

Tarigetra ato anatin’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny fanomezan-danja ny manam-pahaizana Malagasy. Izany indrindra, no nanatontosana ny fidinana ifotony, teto Tsimiroro, ny 24 Aprily 2026, niarahan’ny Profesora SOLOFO Jonis, tamin’ny Delegasiona, notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH), Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas.

Andrana (essai) no natao teto. Aorian’ireo fitiliana samihafa izay ataon’ireo manam-pahaizana eo anivon’ny Antokondraharaha misahana ny Akoranafo (
#OMH), sy izay tontosain’ny Profesora SOLOFO Jonis, no hirosoana amin’ny fampitoviana ny valiny.

Dingana maromaro no hotanterahana aorian’izay. Anisany ny fandalinana ny lafiny teknika sy ny pitsopitson-dalàna mifehy ny sehatra (études de faisabilité technique et cadre réglementaire). Tanjona ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Atolotra anao ny horonan-tsary teto Tsimiroro.