Fanampiana ho an’ny fanarenana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina
✳️ Fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P), ary firaisan-kina ho fanarenana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina. Nisy ny fanolorana fanampiana androany 13 Martsa 2026, noraisina teto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), eto Ampandrianomby.
👉 JOVENA : nanolotra EPI (Equipements de Protection Individuelle) miisa 130, izay ahitana:
🔷️ Baoty (bottes de sécurité),
🔷️ Kiraro (chaussures de sécurité),
🔷️ Aroloha (casques de sécurité).
👉 OMH sy ARELEC nanome :
🔷️ Boatim-panafody fanomezana hery (fortifiants) miisa 177,
🔷️ « Trousse de secours » miisa 20.
✅️ Ireo rehetra ireo dia entina hanohanana ireo mpiasa sy teknisianin’ny #JIRAMA eny an-kianja, mba hahafahana manafaingana ny asa fanarenana sy mamerina malaky ny herinaratra ho an’ny isan-tokantrano.