FANAMORANA NY FAMOAHANA FITAOVANA FAMATSIANA HERINARATRA ENY AMBANIVOHITRA⚡
👉Anisan’ny andraikitra sahanin’ny ADER ny fanamorana sy fanaraha-maso ny famoahana ireo entana sy fitaovana ilaina amin’ny famatsiana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra, eny amin’ny fadin-tseranana sy seranan-tsambo. 🚢
Anisan’ireo fitaovana maro ilaina tonga farany, ny fitaovana fametrahana ny fotodrafitrasa famokarana herinaratra 🪫 avy amin’ny masoandro ☀️ izay hatao ao Antanimbary, Mahazoma, Ampotaka Andrefana, Ampotaka Atsimo, Antsiafabositra, Morafeno, Londokomena, Amboasary sy Beanana, any amin’ny faritra Betsiboka; amin’ny alalan’ny tetikasa antsoina hoe Appel à Projet 6.
✳️Fanomezana angovo madio sy maharitra ho an’ny mponina ambanivohitra hatrany no tanjona. ✊

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *