𝟑𝟎 𝐎𝐤𝐭𝐨𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓 | 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐀𝐒𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀, 𝐉𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚
Tao aorian’ny fanolorana ireo fitaovana ahafahana manamboatra ireo milina miisa 3 simba amin’ireo efatra mpamokatra herinaratra eo anivon’ny JIRAMA Ambohimanambola, dia tonga nanaraka ny fivoaran’ny asa fanamboarana ny Fiadidiana ny Repoblika.
Nisy ny dinika nifanaovana tamin’Andriamatoa RALITERA Ny Ando Jurice, Minisitry ny Ministère de l’Energie et des Hydrocarbures sy ny Tale Jeneralin’ny Jirama ofisialy, Andriamatoa Ron Weiss ary ireo teknisiana, mahakasika ny vahaolana momba ny herinaratra eto Antananarivo fa ihany koa eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso sy Vontovorona.
Raha tsiahivina dia 30 MW ny tsy fahampiana amin’ny herinaratra ilain’Antananarivo. Ao aorian’ny fanamboarana ireo milina, hiampy 20 MW ny famokarana ary hihena ny fahatapahan-jiro raha ny nambaran’ ny teknisiana.
Marihina fa novidiana teto an-toerana avokoa ary tsy nilana fanafarana ireo fitaovana, izay mitentina 3,3 Miliara Ariary, hahafahana manamboatra ireo milina ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *