Angovo maharitra
Fanoitra lehibe ho an’ny fandrosoana

Milofo tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ny firenena manerana izao tontolo izao, ka anisan’izany i Madagasikara. Fanoitra lehibe amin’ny fandrosoan’ny fari-piainan’ny vahoaka ny fisitrahana angovo maharitra sy madio, sady porofo amin’ny fandrosoan’ny Firenena ihany koa. Laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana izany.

Maro ireo ezaka vita sy tohizana amin’izao fotoana izao, ho fanamafisana ny fampisitrahana angovo madio ho an’ny Malagasy. Izany indrindra no antony nanatanterahana ny fihaonambe ho an’ireo mpisehatra amin’ny angovo maharitra, izay notontosaina androany 30 Janoary 2026 teto amin’ny « Le Centell » Antanimena, nijerena miaraka ny hanatsarana ny vina iraisana.


Zava-dehibe ny finiavan’ireo « Incubateurs d’Energie Durable » (IED) sy ireo mpisehatra amin’ny angovo maharitra. Tarigetra ny hanohana sy hanomezana lanja ny talenta sy ny fahaiza-manao eto an-toerana, ary indrindra ny hanomezana tantsoroka ho azy ireo, hiovantsika tsikelikely amin’ny fampiasana angovo madio (transition énergétique), hialana amin’ireo angovo nentim-paharazana izay sady manimba ny tontolo iainana no misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana.

Tanjona lehibe ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana, sy ny sehatra tsy miankina ary ireo mpisehatra rehetra, na « Partenariat Public-privé » (3P). Manamafy ny fahavononany ny Fitondram-panjakana amin’ny fisokafana tanteraka amin’ny fiaraha-miasa, sy amin’ny fanohanana ary fanampiana isan-karazany ho fampiroboroboana ny sehatry ny angovo maharitra.

Nandray anjara tamin’ity fihaonambe ity ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo notarihin’ny Sekretera Jeneraly, ny Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe. Nanohana ny Fondation AVINA amin’ny alalan’ny « Programme Impulsouth », ny ONUDI sy ny Joint SDG Fund, ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny.