
Tanjona ny hanampiana ireo mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana ao anaty fanatanterahana ny asany, ny fanomezana herinaratra ho an’ireo fitaovana samihafa mampiasa izany, ny fitahirizana ny vaksiny sy fanafody isan-karazany, ary indrindra ny fitsinjovana ny vahoaka manatona ny tobim-pahasalamana. Eo ihany koa ny fanitarana ny fampisitrahana herinaratra, indrindra amin’ny tontolo ambanivohitra.