Fahatapahan-jiro
Voavaha ny olana teknika, mandroso ny fananganana ireo « centrales solaires »
➡️ Toerana maromaro no nisedra olana teknika teto Antananarivo androany 24 Septambra 2025, ka nahatonga ny fahatapahan-jiro. Anisany : Faravohitra, Mandroseza, ary Andranobevava. Tao amin’ity farany, dia fahamaizana tamin’ny « #connecteurs » mampifandray ny vata mpanova herinaratra (#transformateur) sy ireo tariby mitondra herinaratra « basse tension » (#BT), no nahatonga ny fahatapahan-jiro tamin’ireo toerana manodidina.
🛠️ Miasa andro aman’alina ireo teknisianina an’ny JIRAMA mamaha haingana ireo karazana olana teknika misy.
✳️ Androany moa, dia nijery ny teto Andranobevava, ireo tompon’andraikitra notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier notronin’ny Tale Jeneralin’ny Orinasa #JIRAMA, Atoa Ron Weiss.
🟩Mifanindran-dalana amin’ny asa fanamboarana ireo fitaovana simba, dia mandroso malaky ny asa fananganana ireo 🌞 tombim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (#CentraleSolaire) hanampy tosika ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (#RIA). ✅ Ohatra : efa manao ny andrana teknika ankehitriny ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eny Ambatomirahavavy 🌞 manana tanjaka 1,5 MWc.
🎥 Araho ny fanazavana entin’ Atoa MEH

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *