Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Tokantrano 4.000 no tanjon’ny Atmosfair
🟩 Ny Atmosfair dia anisan’ny mpamatsy vola ireo tetikasa mifandraika amin’ny angovo azo havaozina (Energie de cuisson et énergie solaire en électrification rurale) eto Madagasikara, nanomboka ny taona 2019.
🤝 Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo izy ireo, ary nilaza ny hanatanteraka tetikasa izay hikendrena tokantrano miisa 4.000 hatramin’ny taona 2027, mba hiala amin’ny fomba fahandroana sakafo nentim-paharazana ka hampiasa ny angovo madio sy maharitra.
➡️ Nivoitra izany nandritra ny fitsidihan’ny Delegasiona avy amin’ny Atmosfair, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, teto Ampandrianomby androany 20 Novambra 2024.
▶️ Nitarika ny Delegasiona Rtoa Nele ERDMANN, « Senior Project Developer en charge de Madagascar » sady « Chef de mission », ary Atoa RAKOTOSON Rija, Solontenan’ny Atmosfair eto Madagasikara.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *