Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Notolorana mari-pankasitrahana ireo teknisianina eto Mahajanga
✅ 14 Oktobra 2024 – Notolorana mari-pankasitrahana ireo teknisianina izay nandray anjara tamin’ny fiofanana amin’ny fanamboarana fitaovana fanaovana arina manaja ny tontolo iainana (Charbon Ecologique), niarahana amin’ny  » Fédération des Chambres de Métiers et de l’Artisanat de Madagascar  » (FCMAM) eto Mahajanga. Anisan’ireo fitaovana ohatra ny « Carbonisateur, Broyeur, Malaxeur, Extrudeuse ». Hiroso tsy ho ela amin’ny famokarana arina fandrehitra mikajy ny tontolo iainana ireto teknisianina.
#️⃣ Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (cuisson propre / clean cooking) eto Madagasikara, izay tafiditra anaty Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) . Miara-misalahy amin’ny tetikasa ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD).
❇️ Nanolotra ny mari-pankasitrahana ho an’ireo teknisianina vita fiofanana, ny MEDD, Atoa FONTAINE Max Andonirina. Nanotrona ny Tale isam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Mahajanga, Rtoa VAVIZARA Sylvie.
📸 Sary : DIEH Mahajanga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *