🟢 Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (Clean cooking)
Notolorana mari-pankasitrahana ireo mendrika tamin’ny fifaninana CCIC
✳️ Herinandro manan-danja eo amin’ny sehatry ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio no nodiavina, ka nofaranana tamin’ny fivoriana niarahan’ireo mpisehatra, sy ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandray anjara mendrika tamin’ny fifaninanana « Clean Cooking Innovation Challenge » na CCIC.
✅️ Tontosa androany, 19 Desambra 2025, teto amin’ny Novotel Ankorondrano, ny fanolorana izany ho azy 5 voafantina tamin’ireo 15 mianadahy nandray anjara.
➡️ Ny tanjon’ireo famoronana sy tetikasa nentin’ireo mpandray anjara dia ny hanolotra vahaolana vaovao sy maoderina, mampihena ny fampiasana kitay sy arina fandrehitra ho fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana, ary mampiroborobo ny fampiasana loharanon’angovo madio sy maharitra.
✴️ Ireto avy ireo tetikasa voafidy sy nahazo mari-pankasitrahana :

▶️ AQUAGAZ MADA : Fanodinana ny fako avy amin’ny trondro sy orita ho lasa « biogaz »
▶️ ANGOVO MADIO GROUPE : Fatana mandeha amin’ny menaka « vidange »
▶️ PROJET MONGO : Apombo sy tanimanga avadika ho angovo mitana hafanana
▶️JATROOJ’ GREEN : famadihana ny Jatropha hahazoana « Biodiesel »
▶️ HONEY COMBUSTIBLE COMPANY : savoka tantely atao akoran’angovo amin’ny fatana mitsitsy
🫱🏽🫲🏼 Ny fahatanterahan’ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa matanjaka eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P), ka anisany ny PNUD, ONUDI, WWF ary ny MCCI.
👉 Araka ny nambaran’ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, dia manamafy hatrany ny fanohanany ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio ny Ministera, ho fanatrarana ny tanjona nasionaly amin’ny angovo sy ny fampandrosoana maharitra.