Izay mamboly hazo manome aina
🇲🇬 Nahavita adidy amin’ny Tanindrazana ny #MEH
✅️ Nifamotoana teto Farahantsana – Mahitsy, androany 6 Marsa 2026, ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), notronin’ireo rantsamangaika (#ADER, #JIRAMA, #OMH, #ARELEC) sy ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina, nandray anjara tamin’ny adidy fambolen-kazo taona 2025–2026. Teny filamatra ny hoe « Izay mamboly hazo, manome aina ».
👉 Zanakazo 3.000 no novolena tamin’ny velarantany 3Ha, manodidina ny faritry ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano izay iandraiketan’ny TOZZI GREEN. Tanjona ny fanitarana ny velaran’ny ala sy fandraisana andraikitra amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P).
▶️ Manampy amin’ny fiarovana ny tany sy ny loharanon-drano, ny ala, izay anisan’ny harena voajanahary ilaina tokoa amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo.
🟩 Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nomarihin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo , Andriamatoa RALITERA Ny Ando Jurice, fa ity fambolen-kazo ity dia maneho ny fanoloran-tenan’ny Governemanta amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina. Tanjona ny fampisitrahana angovo madio, maharitra, ary takatry ny besinimaro.