Tontosa anio 01 Desambra 2022 ny fitokanana ny tobimpamokarana herinaratra mandeha amin’ny rian-drano ao Farahantsana.Tonga nanome voninahitra izany lanonam-panokanafana izany ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina sy ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Ramaroson Andry. Fiaraha-miasa teo amin’ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny TozziGreen no nahafahana nanatanteraka izao fotodrafitrasa lehibe izao.Hamokatra angovo 28 Mw ity tobimpamokarana herinaratra ity , ka dia hahatratra hatramin’ny 136 Gwh ny herinaratra ho vokarina isan-taona. Miisa 150.000 eo ny tokatrano eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo hahazo tombotsoa hisitraka herinaratra amin’ny alalan’ity fotodrafitrasa ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *