Fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio
Anisan’ny vahaolana ny « E-Cooking »

Tontosa androany 5 Febroary 2026, teto amin’ny Carlton Anosy, ny atrikasa niarahan’ireo mpisehatra mampiasa herinaratra amin’ny fahandroan-tsakafo (E-Cooking) eto Madagasikara.

Tafiditra ao anatin’ny ezaka fampiroboroboana ny fampiasana angovo madio sy maharitra ity atrikasa ity, ary tanterahana ao anatin’ny fandaharan’asa « Modern Energy Cooking Services » (MECS).


Tanjon’ny atrikasa ny hametraka fototra ara-teknika sy drafitra matanjaka hoenti-mamolavola ireo antontan-kevitra mikasika ny politikan’ny angovo eto Madagasikara, ary koa ny handray anjara amin’ny famolavolana ny tondrozotra nasionaly ho fampiroboroboana ny « E-Cooking » manerana ny Nosy.

Dingana lehibe ity atrikasa fifampidinihana ity, amin’ny fampiroboroboana ny « E-Cooking » miaraka amin’ireo vahaolana hafa momba ny fahandroan-tsakafo avy amin’ny angovo madio. Zava-dehibe ny fifanakalozana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra.

Tsiahivina fa ny « E-Cooking » dia mahasahana ny fahandroan-tsakafo amin’ny alalan’ny herinaratra. Mampiasa fitaovana toy ny fatana elektrika, « plaque à induction », na ny « rice cooker ». Tarigetra ny fampiasana ireo fitaovana avy amin’ny angovo madio.

Miara-misalahy amin’ny fampiroboroboana ity tetikasa ity ny AIDES, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH).

Nisolo tena ny Minisitera, ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Ethanol sy ny Angovo avy amin’ny Akora Biolojika (DPEBIO), Atoa FIDIARISON Kenny Marco Louis, notronin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpisehatra isan-tsokajiny.