
Fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra
Dinikasa niarahana tamin’ny KfW

Fanaovana tomban’ezaka sy fametrahana vina iraisana. Mitovy ny tanjona amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) otronin’ireo rantsamangaika ADER sy ARELEC, ary ny « Coopération Financière Allemande » (KfW) eto Madagasikara. Tontosa ny 19 Mey 2026 teto Ampandrianomby ny dinikasa niarahana, ho fanatsarana hatrany ny fampisitrahana herinaratra any amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina, ao anatin’ny Tetikasa « Electrification Rurale par les Energies Renouvelables » (ERER).

Nivoitra nandritra ny fihaonana ny momba ny :

Fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Belaoko Lokoho (8 MW) any amin’ny Faritra SAVA, miaraka amin’ny fananganana tambazotra madinika miisa 5 amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (5 mini-réseaux solaires) ao Andriamanjavona.

Fanamafisana ny famatsiana herinaratra ao amin’ny tapany avaratra amin’ny elodranon’i Antongil amin’ny alalan’ny fanarenana sy fanitarana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Vodiriana, miaraka amin’ny fananganana tambazotra madinika amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro.

Ity fihaonana androany ity dia natao hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa, mba hahafahan’ny mponina any ambanivohitra misitraka herinaratra maharitra sy azo antoka. Tsiahivina fa fanampiana mitentina 59,1 tapitrisa Euro no atolotry ny KfW ao anaty fanatanterahana ny Tetikasa, ERER 1 sy 2 ary 3. Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny KfW, ny Masoivohon’i Alemana miasa sy monina eto amintsika, Atoa Oliver KNOERICH.