20 Janoary 2025
🤝 Dinik’asa momba ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra :
Nisy ny dinik’asa niarahan’ny ADER, ny UGP Angovo ary ny orinasa CrossBoundary Access sy ANKA, mikasika ny fampandrosoana sy ny fanatanterahana ireo tetikasa famatsiana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ao anatin’ny Antso ho an’ny Tetikasa lah. faha-2 (AP2) ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ny Antso ho an’ny Tetikasa lah. faha-4 (AP 4), ho an’ny faritra Melaky sy Menabe.
⚡ CrossBoundary Access moa dia sehatra afrikanina misahana ny famatsiam-bola avy amin’ny loharanom-bola maro ho an’ny mini-réseaux, izay vao haingana no nanao fividianana orinasa eto Madagasikara niaraka tamin’ny ANKA, no isan’ny hanohana ara-bola ity tetikasa ity. Etsy andaniny dia miara-miasa amin’ny AFD sy ny Vondrona Eropeana ny Fanjakana malagasy amin’ny famatsiam-bola an’ireo tetikasa ireo.
Ity fanohanana ity dia mifanaraka tanteraka amin’ny paikady nasionaly momba ny angovo ary koa amin’ny hetsika iraisam-pirenena Mission 300, izay mikendry ny hanafaingana ny fisitrahan’ny mponina eny ambanivohitra herinaratra.
🌍 Miara-miasa isika ho amin’ny fisitrahana maharitra sy mitovy amin’ny angovo ho an’ny rehetra.
📅 20 janvier 2025
🤝 Réunion de travail sur l’électrification rurale :
L’ADER, l’UGP Angovo et les societés CrossBoundary Access et ANKA ont tenu une réunion de travail portant sur le développement et la mise en œuvre des projets d’électrification rurale dans le cadre des Appels à Projets n°2 et n°4, respectivement au bénéfice des régions Atsimo Andrefana, Melaky et Menabe.
⚡ CrossBoundary Access, plateforme africaine de financement multi-sources dédiée aux mini-réseaux, ayant récemment réalisé une acquisition de sociétés d’actifs à Madagascar en partenariat avec ANKA, apportera un appui financier à ce projet.
Il est à noter que l’Etat malagasy collabore étroitement avec l’AFD et l’Union Européenne dans la mise en œuvre de ces projets.
Ce soutien s’inscrit pleinement dans la stratégie énergétique nationale ainsi que dans l’initiative internationale Mission 300, visant à accélérer l’accès à l’électricité pour les populations rurales.
🌍 Ensemble, œuvrons pour un accès durable et inclusif à l’énergie

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *