
Tontolo ambanivohitra
Dinika momba ny vidin’ny herinaratra

Jerena akaiky ny fandrindrana ny vidin’ny herinaratra sy ny olan’ny fitantanana ny herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Io no lahadinika ao anatin’ny atrikasa fiofanana, tontosaina mandritra ny 5 andro eny amin’ny « hôtel Ibis » Ankorondrano, ny 17 hatramin’ny 21 Novambra 2025.

Tanjona ny fametrahana rafitra maharitra momba ny sandan’ny fananganana toby madinika mpamokatra herinaratra (mini-réseaux). Ity farany dia anisan’ny fanoitra amin’ny fampidirana angovo madio, sy maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro ho an’ny tontolo ambanivohitra.

Misy arak’izany ny fampahafantarana ireo mpisehatra ny fomba fametrahana ny vidin’ny herinaratra ho an’ireo tobim-pamokarana madinika, eo koa ny dinika momba ny rafitra misy ankehitriny, ny fifampizaràna traikefa eo amin’ny mpisehatra, ary ny fanolorana rafitra fandrindrana ny vidin’ny herinaratra mifanaraka amin’ny famokarana ho an’ny tontolo ambanivohitra. Ireo no hifantohan’ireo mpandray anjara sy ireo manampahaizana avy eto an-toerana sy avy any ivelany, mandritra ny fiofanana. .

Nomarihin’ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fampidirana Herinaratra any Ambanivohitra (DAER), Rtoa DIEUDONNE Virgiana Dalia Soatsara, ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eto an-toerana. Izany dia ho fanatanterahana ny asa fampitoboana ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara.

Miara-manatontosa ny atrikasa ny solontena avy amin’ny MEH, sy ny ADER ary ny ARELEC, miaraka amin’ny fanohanana ara-teknika avy amin’ny AFUR sy ny PNUD – Africa Minigrid Project (AMP)