CHU Mitsinjo Betanimena – TOLIARA
« Herinaratra ho an’ny daholobe ». Veliranon’ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA izany. Tsy hanavahana ny fisitrahana azy.
Tontosa ny 24 marsa 2023 ny fanolorana ny tobim-pamokarana herinaratra « système hybride solaire » ho an’ny CHU Mitsinjo Betaminena Toliara. Manana tanjaka 40 kWc avy amin’ny masoandro sy 80kVA avy amin’ny milina mandeha amin’ny solika izy ity.
Fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana malagasy sy firenena Alemana izay novatsiana tamin’ny alalan’ny Fonds COVID. Ny minisiteran’ny angovo sy Akoranafo sy ny GIZ PERER no miara-misalahy amin’izany.
Nanatrika izao lanonana izao ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Solo ANDRIAMANAMPISOA, sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY, ny loholona sy solombavambahoaka avy eto Toliara, ary indrindra ny mpiaramiombonantoka Alemana sy avy ao amin’ny GIZ PERER.
Miisa 18 ireo tobim-pahasalamana (CHU) hisitraka ity famatsiana herinaratra ity manerana ny nosy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *