BRICKAVILLE
Arak’izao hitantsika amin’ny sary izao dia efa tonga ao Brickaville ny milina mpihary herinaratra vaovao, manana tanjaka 500kW. Hiroso amin’ny fametrahana izany avy hatrany ireo teknisiana. Tanjona ny hanamavainana ny fahatapahan-jiro mifandimby mandritra ny ora maha be ny filàna herinaratra ao an-toerana.
Dingana lehibe ho amin’ny fanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa izao tetik’asa izao, izay famatsiam-bolan’ny Orinasa JIRAMA sy ny Fitondram-panjakana Malagasy. Miisa 116 ireo milina mpihary herinaratra ho aparitaka manerana ny Faritra misy ny tobim-pamokarana sahanin’ny Orinasa JIRAMA.
Hitohy any amin’ny Faritra hafa ny fanapariahana ireo milina mpihary herinaratra.