Fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra

Tontosa androany 26 Martsa 2026 teto amin’ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby ny atrikasa fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) eo amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra.


Tanjona lehibe ny hampiakarana ny tahan’ny fisitrahan’ny mponina herinaratra ho 80% amin’ny taona 2030. Tokantrano 3,54 tapitrisa no kendrena hahazo herinaratra amin’izany , ary tokantrano miisa 1.416.000 no hisitraka « kits solaires » .

Nohamafisin’ireo PTF nandritra ity atrikasa ity ny fahavononany hanohana amin’ny fanatrarana ny tanjona napetraka, amin’ny alalan’ny fanampiana ara-bola sy ara-teknika, indrindra ho an’ny fampandrosoana ny herinaratra any ambanivohitra.

Ny fiaraha-mientan’ny MEH, ADER ary ireo PTF dia manamafy ny ezaka iombonana amin’ny fanatrarana ny vina, dia ny hahazoan’ny rehetra angovo madio sy maharitra ary azo antoka, ho fototry ny fampandrosoana.