Natao teto amin’ny CCI Antaninarenina ny zoma 16 desambra 2022 ny atrikasa momba ny « Autoproduction en énergie électrique ». Noresahina nandritra ny fifanakalozana ny firosoana amin’ny famatsiana sy fitsinjarana herinaratra ataon’olontsotra na orinasa tsotra, ny tsara ho fantatra sy fitsipika ary ny lalàna mifehy ny famaritana ny vidin’ny herinaratra, ny fitsirihana sy fanarahamaso aton’ny fanjakana, ny fitsinjarana ny famokarana herinaratra. Teo ihany koa ny fizarana traikefa ho an’ireo izay efa miroso amin’izany.
Nandray anjara tamin’izao atrikasa izao ny Minsiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny EDBM, ny Minisiteran’ny Fitatanambola sy Toekarena, ny ratsamangaikan’ny minisiteran’ny angovo toy ny ORE, JIRAMA, ADER, indrindra ireo sehatra tsy miankina miantsehatra amin’ny lafiny herinaratra. Marihina fa sady atrikasa ity ka afaka nandray anjara avokoa na ny avy any amin’ny faritra aza.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *