Nandravarava toerana maro sy namotika fotodrafitr’asa famatsiana herinaratry ny JIRAMA tany amin’ireo Faritra nolalovany ny rivodoza FYTIA.
Vao nisy ireo fahavoazana ireo dia niasa tsy ankiato ireo teknisiana ka efa misy ireo miverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra. Mbola mitohy kosa ny asa fanarenana ho an’ireo Faritra sasany, araka ny hitantsika amin’ny sary. Misy koa anefa ireo toerana mbola tsy nahazoana tatitra nohon’ny fahatapahan’ny fifandraisana.
Efa manao ny ezaka rehetra moa ireo ekipa isan-tokony manafaingana ny asa arak’izay tratra mba hamerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra.