
Mandray anjara eny an-kianja ireo teknisianina amin’ny orinasa tsy miankina miisa 9 manampy ireo an’ny JIRAMA

Mitsinjara 20 ny asa (lots) tanterahana amin’ny zotra « moyenne tension » (MT) sy zotra « basse tension » (BT) ka ny 9 ataon’ny JIRAMA ary ny 11 ataon’ireo orinasa tsy miankina

2 ny « sous-stations »

11 ny zotra MT manerana an’i Toamasina ka ny 8 ataon’ny JIRAMA ary 3 ataon’ireo orinasa tsy miankina

3 amin’ny zotra BT no ataon’ny JIRAMA, ny ambiny ataon’ireo orinasa tsy miankina

Ho an’ny androany 25 Martsa 2026 dia 72 % amin’ny MT no efa vita ary 37% amin’ny BT

Manara-maso ny fandrosoan’ny asa eny an-kianja ankehitriny, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny : Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny JIRAMA, ny Banky Iraisam-pirenena (BM), ny Tetikasa LEAD, ny Tetikasa DECIM.