[REQ_ERR: OPERATION_TIMEDOUT] [KTrafficClient] Something is wrong. Enable debug mode to see the reason.
Arina fandrehitra sy kitay miaro ny tontolo iainana - Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures
Ministère de l'Énergie et des Hydrocarbures
Arina fandrehitra sy kitay miaro ny tontolo iainana
Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Arina fandrehitra sy kitay miaro ny tontolo iainana
Dingana goavana amin’ny firosoana amin’ny fampiroboroboana ireo fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio, ny fanomezana sehatra ny fampiasàna kitay sy arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana. Notanterahina androany 18 Febroary 2025, teto amin’ny » Le Pavé » Antaninarenina, ny atrikasa fanentanana momba ny fenitra ho an’ny arina sy kitay miaro ny tontolo iainana.
Taorian’ny dingana maro samihafa notanterahina, dia nirosoana ny fanentanana ireo mpisehatra eny ifotony sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina momba ny fanarahana ny fenitra napetraka momba ny kalitaon’ireo akora vokarina, mialoha ny hirosoana amin’ny fanapariahana izany manerana an’i Madagasikara.
Nivoitra nandritra ny atrikasa ny fanazavana ny dingana fanamarinana (processus de certification) avy amin’ny Birao misahana ny fenitra (BNM).
Ity tetikasa ity moa dia mifandraika amin’ny fanatanterahana ny ODD7, angovo madio sy maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro.
Nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ireo asa vita rehetra hatramin’izao, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ( MEH) , ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny Birao Misahana ny Fenitra eto Madagasikara ( BNM) , ary ny AIDES amin’ny alalan’ny tetikasa TWENEX.