TOLANARO

Tsy diso anjara amin’ny fisitrahana vata mpanova herinaratra vaovao avy amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa ao Tolanaro taorian’ny fahamaizan’ny vata mpanova herinaratra iray tao an-toerana ka niteraka tsy fahampian’ny vokatra tsinjaraina.
Vata mpanova herinaratra manana tanjaka 400KVA no ho alefa, hamaha sy hanamafy ny fitsinjarana herinaratra any Tolanaro.
MANJAKARAY

Am-perinasa tanteraka ireo teknisiana manolo ilay vata mpanova herinaratra 630KVA ho 800KVA ety Manjakaray, mba hahafahana mampiakatra ny tanjaky ny herinaratra ety an-toerana sy ny manodidina toa an’Ambatomainty sy Anjanahary.
Mandritra ny fanatanterahana ny asa dia miato ny famatsiana herinaratra amin’ireo toerana ireo hatramin’ny 3 ora folakandro.