Angovo maharitra
✳️ Fampahafantarana ireo orinasa 30 andiany faha-2 amin’ny IED (Incubateur d’Energie Durable)
✅️ Vahaolana sy teknolojia vaovao isan-karazany, manampy amin’ny fanatsarana ny fahafahan’ny mponina misitraka angovo madio sy maharitra eto Madagasikara. Mendri-piderana sy fanohanana ny ezaka sy vokatra. Notanterahina androany 11 Martsa 2026 teto amin’ny “Cité des Cultures” Antaninarenina, ny fampahafantarana ofisialy ireo orinasa miisa 30 voafantina handrafitra ny andiany faharoa amin’ny Fandaharan’asa ho an’ny Mpisehatra amin’ny Angovo Maharitra na “Incubateur d’Energie Durable” (#IED).
👉 Avy amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy zareo 30 voafantina ireto ka: ny 20 dia mitantana orinasa madinika sy salantsalany na PME, ary ny 10 kosa dia anaty sokajin’ny « Startup ». Ny 43% amin’izy ireo dia vehivavy. Amin’ny ankapobeny: ny 73% dia ao anatin’ny sehatry ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio na « cuisson propre », ny 17% dia ao amin’ny lafiny famokarana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra, ary ny 10% dia momba ny fahombiazana ara-angovo na « efficacité énergétique ».
▶️ Ny Fandaharan’asa IED dia mikendry ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo tanora mpandraharaha amin’ny sehatry ny angovo madio, amin’ny alalan’ny tantsoroka ara-bola, fiofanana ara-teknika ary fanampiana amin’ny fanamafisana ny paikady ara-barotra ampiasain’izy ireo, mba hahafahan’ny tetikasany mivelatra sy mahomby kokoa.
🫱🏽‍🫲🏼 Tanjona ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo madio sy maharitra eto Madagasikara ho fampitomboana ny tahan’ny vahoaka misitraka izany, ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ary ny fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na 3P. Manohana ny Fandaharan’asa, ny Rafitry ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny #ONUDI, #PNUD, #UNCDF, #Joint_SDG_Fund, Tetikasa #FIER. Miara-misalahy ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (#MEF), sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD).
🔷️ Nitarika ny lanonana androany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, notronin’ny Solontena maharitry ny ONUDI eto Madagasikara, Rtoa RAKOTONDRAZAFY Volatiana. Ho an’ny rahampitso Alakamisy 12 Martsa 2026, dia hanomboka ny atrikasa fiofanana zareo 30 mianadahy andiany faha-2 amin’ny IED ireto. Tsiahivina fa miisa 15 ireo nandrafitra ny andiany voalohany, tamin’ny taon-dasa.