
Vahaolana : ahitana sehatra 6 lehibe ny fomba fahandroan-tsakafo amin’ny angovo madio, tarihin’ny « Madagascar Clean Cooking Initiative » (MCCI), izay misy mpikambana 53 mahenika Faritra 13, dia ny : angovo azo avy amin’ny akora biolôjika (Bioénergie), ireo karazana « Combustibles modernes », ny fatana mitsitsy (Foyers améliorés) , ny entona fandrehitra (Gaz na koa antsoina hoe GPL) , ny « E-Cooking » , ary ireo mampiasa ny teknolôjia mandeha amin’ny herin’ny masoandro (Solaire) .