Angovo azo avaozina :
68 % n’ny asa no vita ao amin’ny CS Ambanja
✅ Mandroso ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale Solaire na CS) ao Ambanja. Miroso amin’ny fananganana ny lalan’ny tariby mitondra herinaratra sy ny fampifandraisana ny fitaovana mampiodina ny tobim-pamokarana herinaratra (raccordement Onduleur , PV ) ny asa ankehitriny.
🌞95 % amin’ireo takela-masoandro (panneaux photovoltaïques) no efa voapetaka izao. Tombanana eo amin’ny 68 % ny fandrosoan’ny asa vita hatreto. Nidina ifotony teny an-toerana ny Tale iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Antsiranana, Atoa Hubert Hyacint FITSARANA ny 14 Desambra 2023.
▶️ Ankoatra izay, dia nijery ihany koa ny fiasan’ny milina mpihary herinaratra an’ny JIRAMA izay manana tanjaka 600 KW, vao tonga ao Ambanja avy any Antsiranana, ary efa mamokatra herinatra soa aman-tsara.
📸 Sary : DIEH Antsiranana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *