Angovo azo avaozina ao Ambilobe :
99 % izao no fahavitan’ny asa fananganana « centrale solaire »
▶️ Porofo hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny ezaka firosoana hampiasa angovo azo avaozina. 99% izao no fahavitan’ny asa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny alalan’ny masoandro (centrale solaire na CS) ao Ambilobe. 40% izany amin’ny toby mampiasa solika mavesatra (fuel lourd). « Hybridation » na fampiarahana ny « CS » amin’ny « centrale thermique » no atao, hialana tsikelikely amin’ny fampiasana solika. Amin’ny ankapobeny, dia 60% no fahavitan’ny asa manontolo.
➡️ Ankehitriny dia efa tonga ao Ambilobe ireo milina mpihary herinaratra (groupe électrogène) vaovao miisa 02, izay manana tanjaka 800 KW isanisany. Dingana manaraka ny fametrahana ireo tariby mampifandray ireo amin’ny tobim-pamokarana herinaratra. Tanjona ny hampiodina ireo ao anaty fotoana fohy vantany vao feno ireo fepetra teknika farany : ny 24 Jolay 2023 izao fara-fahatarany raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra.
#️⃣ Marihina fa hanana tanjaka 1MWc ny CS ao Ambilobe, ary 2.400 KW kosa ny ho azo avy amin’ny « thermique ». Mpanjifa miisa 3.750 no hisitraka voalohany ny famokarana hoentin’ty fotodrafitrasa ity.
📸 Sary : DIEH Antsiranana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *