Angovo avy amin’ny herin’ny masoandro

Tafiakatra 12,5 MWc ny eto amin’ny RIA

Tonga 12,5 MWc nanomboka ny 24 Mey 2026, ny famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (
#RIA), izay mitsinjara toy izao :

5 MWc > Mangatany

5 MWc > Ampangabe

1,5 MWc > Ambatomirahavavy

1MWc > Ambohidrano Ilafy

Miandrakitra ireo tobim-pamokarana ireo, ny JIRAMA.

Mandroso miandalana koa, araka ireo dingana takian’ny lalàna, ireo fifanekena savaranonando na «
#MOU » ( Memorandum Of Understanding) miisa 86 izay vita sonia ny volana Aprily lasa teo, ho fanamafisana ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro eto Madagasikara.

Tanjona ny hampitombo sy hanatsara ny famokarana herinaratra manerana ny Nosy ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka, ary koa ny fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na « Partenariat Public-Privé » (
#3P) ao anaty fanatanterahana Tetikasa sy Fandaharan’asa maro, anisany ny
#M300.