Angovo amin’ny vidiny mora:
Imasoana ny famatsiana herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra
Mahavelombolo ny fanohanana ny ezaka ataon’ny Fanjakana Malagasy eo amin’ny sehatry ny angovo. Tanjona ny famokarana angovo amin’ny vidiny mora, ka anisan’ny misitraka izany voalohany ny ny tontolo ambanivohitra.
Famatsiana herinatra amin’ny alalan’ny masoandro no fantatry ny maro. Amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara, dia tsy latsa-danja ihany koa ireo tetitaka famokarana angovo avy amin’ny rano sy ny ranomasina ary ny rivotra,
voasokajy ho angovo azo avaozina sy manaja ny tontolo iainana.
Naneho ny fahavononany hanohana ny Governemanta, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) ireo mpiara-miombon’antoka. Nivoitra teto Ampandrianomby ireo taorian’ny fitsidihana am-pomba fanajana tamin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA, nataon’ny Masoivoho Anglisy eto Madagasikara Atoa David ASHLEY ny 12 Aprily 2023 lasa teo, ary ny Solontena maharitry ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) Rtoa Natasha Van RIJN niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy omaly 13 Aprily 2023.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *