AMPANIHY

Araka izao hitantsika amin’ny sary izao dia miainga eto Ambohimanambola, hihazo an’Ampanihy ny milina mpihary herinaratra vaovao manana tanjaka 250KVA. Ampanihy izay isan’ireo toerana tena sahirana amin’ny fisitrahana herinaratra.
Afaka dimy andro no vinavinaina ho tonga any an-toerana ity milina vaovaon’ny JIRAMA ity ka aorian’izay dia azo antoka fa ho foana tsikelikely ny fahatapahan-jiro ara-teknika.
Efa an-dalana ihany koa ny an’ireo faritra sasany tahaka an’i Marolambo, Bezaha ary Ambatoboeny. Izao tetik’asa fanoloana vondrom-pihariana herinaratra izao dia marihina fa an’ny Orinasa JIRAMA, ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny Fitondram-panjakana malagasy madiodio.