𝟬𝟳 𝗼𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱 – 11,5MWc no ho vokarin’ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro 🌞 napetraka eto Ampangabe ary 5MWc amin’izany no efa vita ankehitriny sy efa manomboka ampidirina amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo #RIA.
✅️ Efa vita ihany koa ny 1,5 MWc natsangana ao Ambatomirahavavy ary efa an-dalam-panamboarana ny 7MWc ao Ambohidrano Atsinanana, sy ny 10MWc ao Imerintsiatosika.
🇲🇬 Nijery ireo asa efa vita teto amin’ny tobim-pamokarana eto Ampangabe moa ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina io tolakandro io, ary nohamafisiny fa tsy fampanantenana fotsiny ihany fa manana vina ny Fitondram-panjakana, misy ireo asa efa vita ary mbola hitohy hatrany ny fanatanterahana izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *