Tsy diso anjara amin’ny tetik’asa fanatsarana ny famokarana herinaratra i Ampanefena. Niainga tao Ambohimanambola omaly ihany koa ny milina mpihary herinaratra vaovao, manana tanjaka 300 KW izay hanamafy ny famokarana ao an-toerana.
Ankoatra an’Ampanefena dia faritra maro izay sahanin’ny Orinasa JIRAMA no efa misitraka izao fanatsarana izao nanomboka ny volana Febroary lasa teo. Isan’izany i Ampanihy, Marolambo, Bezaha, Nosy Varika, Ambatoboeny, Antsirabe, Antsiranana izay vao niainga omaly ihany koa,…
Marihina fa any ho any amin’ny enina ambinifolo amby zato (116) no totalin’ireo milina mpihary herinaratra andrasana hatramin’ny faran’ny volana may izao. Tetik’asa izay famatsiam-bolan’ny Orinasa JIRAMA, ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny Fitondram-panjakana malagasy. Hisitraka izany avokoa ireo tobim-pamokarana sahanin’ny Orinasa JIRAMA any amin’ny faritra izay manana olana amin’ny tsy fahampian’ny vokatra herinaratra matetika.