AMBATOMIRAHAVAVY
Tontosa ny asa fanoloana ilay taribin-jiro mitondra herinaratra mavesatra 35Kv, mirefy 900 metatra nisy nangalatra tao Ambaravarambato Kaomina Ambatomirahavavy.
Efa miverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra any amin’ireto toerana ireto
:
Anosy – Ampasambazimba – Andavatsaha – Sabotsy – Mahabo I sy II – Antaninandro – Soavina – Morano – Faharetana – Avarabohitra.
Nametraka fitoriana an’olon-tsy fantatra ny Orinasa JIRAMA, koa efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ny raharaha fanadihadiana.
Antitranterina fa ny JIRAMA dia tsy handefitra na amin’iza na amin’iza tratra manao izao asa ratsy izao.