Famindram-pitantanana amin’ny Tale Jeneraly vaovao
✅ Tontosa androany 20 Aprily 2026 teto amin’ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrinomby, ny famindram-pitantanana teo amin’i Tale Jeneraly teo aloha nisahana ny Angovo sy ny Akoranafo (DGEH), Atoa RAMIANDRASOA Sambatra, sy ny Tale Jeneraly vaovao hisahana ny Akoranafo (DGH), Atoa ANDRIANARAHINJAKA Harivelo Jean Michel.
❇️ Izao moa dia fampiharana ny rafitra (organigramme) vaovao misy eto anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ho fanatsarana hatrany sy ho an’ny fahombiazan’ny asa.