Tomban’ezaka eo amin’ny sehatry ny angovo
Afa-po ny FMI
▶️ Manatontosa iraka eto amintsika mandritra ny herinandro ny Delegasiona avy amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na « Fonds Monétaire International » (FMI). Mitarika izany Atoa Lonkeng CONSTANT, otronin’ny Solontena maharitra eto Madagasikara Atoa Eklou KODJOVI.
👉🏽 Misesy ireo dinikasa iarahan’izy ireo amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amintsika. Anisan’izany ny fihaonana tamin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) niaraka tamin’ny ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), izay tontosa ny 13 Janoary 2026 teny Antaninarenina.
✅ Fotoana nanazavana tamin’ireo vahiny, ny ezaka vita nandritra ny 2 volana, mahakasika ny JIRAMA, ny sehatry ny angovo amin’ny ankapobeny ary ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eto Madagasikara.
❇️ Nahafa-po ireto mpamatsy vola sady mpiara-miombon’antoka ny zava-bita, ka nanambarany ny fanantenany hahita fivoarana bebe kokoa hatrany amin’ny fandalovan’ny iraka manaraka.
📸 Sary : #MEF

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *