Angovo azo avaozina
Atrikasa momba ny FIER
✅️ Notanterahina ny 4 sy 5 Avrily 2024 teto amin’ny « Au Bois Vert » Ivato ny atrikasa momba ny Tetikasa « Financement Intégré pour les Energies Durables » (FIER). Tanjona ny fanampiana famatsiam-bola ireo manana tetikasa amin’ny tontolon’ny angovo azo avaozina (Energies Renouvelables) amin’ireto sehatra ireto:
◾️Angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro (Energie solaire),
◾️ Ny  » Clean cooking » na « Cuisson propre »,
◾️ Ny fanjariana ara-angovo na « Efficacité énergétique »
➡️ Anisan’ny lahadinika androany ohatra, ny fandaharan’asa 2024, ny tohin’ny AMI « Derisking facility », ny fananganana ny COPIL, ary ny fisafidianana ireo mpisehatra ho tohanana na « Incubateur d’Energie Durable » (IED).
❇️ Mahatratra 80.000 ny olona hisitraka ny FIER izay Tetikasan’ny Fanjakana Malagasy, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), sy ny Miniteran’ ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD).
▶️Mpanohana ny « Joint SDG Fund », ny ONUDI, ny PNUD ny UNCDF. Ny taona 2026 ino hifarana ny tetikasa FIER.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *