𝗧𝗲𝘁𝗶𝗸’𝗮𝘀𝗮 𝗟𝗘𝗔𝗗: 𝗡𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝗮𝗵𝗼-𝗱𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 « 𝗽𝗶𝗰𝗸-𝘂𝗽 » 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝘁𝗲𝗹𝗼 𝗮𝗺𝗯𝗶𝗻𝗶𝗳𝗼𝗹𝗼
ℹ️ Mihazakazaka ny fanatanterahana ireo tetik’asa iarahan’ny orinasa #JIRAMA amin’ny mpamatsy vola toy ny Banky Iraisampirenena, amin’ny alalan’ny tetik’asa LEAD (Least-Cost Electricity Access Dévelopment).
📌Ity tetik’asa ity izay miompana amin’ny fanatsarana sy fanitarana herinaratra amin’ny vidiny mora kokoa. Eo ihany koa ny fitsinjarana, ny « Branchements Mora » ary ny famatsiana herinaratra ireo CSB rehetra manerana ny Nosy.
🛻Roa herinandro taorian’ny fampitaovana kamiao miisa dimapolo avy amin’ny tetik’asa, dia atolotra amin’ny fomba Ofisialy androany 06 Aprily 2023, ny #MEH sy ny #JIRAMA, eto Analamahitsy ihany koa ireo fiara tsy mahataho-dana « pick-up » miisa 13.
✅Ireo teknisiana misehatra amin’ny famokarana, fitaterana ary fitsinjarana herinaratra no hahazo tombony voalohany amin’izao fiara izao ho :
🔷 Fanafainganana ny asa fitaterana ireo kojakoja sy kaontera entina manatanteraka ny « Branchements Mora ».
🔷 Hivezivezena mandritra ny asa fanatsarana sy fanitarana ny tambazotra.
🔷 Manampy betsaka ny JIRAMA amin’ny tsy fahampin’ny fiarakodia entina manatanteraka ny asa maika amin’ny fahatapahan-jiro sy rano.
🔷 Ampiasaina ihany koa amin’ireo fampidirana jiro mbola miantona.
🔜Ho avy manaraka ny fitaovana sy ny kojakoja samihafa toy ny « Kits » sy ny kaontera ho an’ny « Branchements Mora ».

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *