Araka ny toromarika nomenโ€™ny Filohanโ€™ny Repoblika Andry Rajoelina mba hanatsarana ny tolotra omen’ny orinasa JIRAMA sy mba hanakaiky bebe kokoa ireo mpanjifa dia natsangana ny Jirama Shop. Nitokana izany fotodrafitrasa izany tao Anosizato ny Filoham-pirenena androany 10 martsa 2023. Ity fotodrafitrasa ity, izay hapetraka manerana ny Nosy, dia hanamora ny fampidirana jiro ho an’ireo tokantrano amin’ny alalan’ny ยซย guichet uniqueย ยป, hahafahana manjifa ireo fitaovana fampidirana jiro sy handray ny fitarainan’ireo mpanjifa.
Hafainganina hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny fanatanterahana ny velirano faharoa, ny hazavana ho an’ny tokantrano tsy an-kanavaka, izay antoky ny fiharian’ny tokantrano sy ny fampandrosoana. Mitohy ary ampitomboana hoy izy ireo mpisitraka ny tetikasa ยซย branchement moraย ยป izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena mba hahafahan’ireo tokantrano marefo mahazo herinaratra. Ny fanamby, hoy hatrany ny Filoha, dia ny fizarana ireo ยซย kits solairesย ยป ho ana fianakaviana miisa 1 tapitrisa manerana an’i Madagasikara amin’ity taona ity. Eo ihany koa ny fananganana ireo ยซย parcs solairesย ยป amin’ireo distrika manerana ny Nosy ka hampihena hatraminโ€™ny 75% ny vidin-jiro alohanโ€™ireo mpanjifa.
ยซย Velirano no natao tamin’ny vahoaka ny hampitomboana ny isanโ€™ny tokantrano misitraka herinaratra na io eo anivonโ€™ny tambazotran’ny Jirama na amin’ny alalan’ny ยซย kits solairesย ยป. Tanjona tsy maintsy tratrarintsika miaraka izanyย ยป hoy ny Filoha Andry Rajoelina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiรฉe. Les champs obligatoires sont indiquรฉs avec *