Nosoniavina androany 26 may 2023 teny aminโ€™ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanarahana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe Amont eo amin’ny orinasa CGHV (Compagnie Gรฉnรฉrale dโ€™Hydroรฉlectricitรฉ de Volobe) sy ny fanjakana Malagasy. Ity tetikasa ity dia hamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano izay hamokatra hatraminโ€™ny 750 GWh isan-taona ary hanana tanjaka 120MW, ary vahoaka malagasy maherin’ny 2 tapitrisa no tombanana hisitraka ity tetikasa ity ao aminโ€™ny Faritra Atsinanana.
Tsy mitsahatra mitady vahaolana amin’ny fanatsarana sy ny fampitomboana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara sy ny hanarenana ny orinasa Jirama ny Fitondram-panjakana ary anisan’izany ny fametrahana tetikasa avy amin’ny angovo azo havaozina tahaka ity ao Volobe ity hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Ny fametrahana tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina sy lovain-jafy tahaka ity dia hampihena ny sandam-pamokarana herinaratra ka hampihena araka izany ihany koa ny vidin-jiro. Anisan’ny izany ny tetikasa Sahofika izay hananana tanjaka hatraminโ€™ny 192MW, efa voasonia ary an-dalam-panamboarana ny tobim-pamokarana any Ranomafana manana tanjaka 64MW, eo ihany koa ny Mandraka 3 sy ny PRIRTEM 1 sy 2.
Nambaran’ny Filoham-pirenena ihany koa fa ny Fitondram-panjakana dia efa miroso aminโ€™ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro miisa 37 manerana ny Nosy toy ny any Anosibe an’ala, Amparafaravola, Andilamena, Tanambe, Iakora, Nosy Varika, Tsihombe, sns

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiรฉe. Les champs obligatoires sont indiquรฉs avec *