𝗠𝗘𝗛 – 𝗚𝗥𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗠𝗕𝗘
Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, tamin’ny lahateniny am-pahibemaso tany Morombe ny faran’ny herinandro teo nandritrin’ny fiahiany ireo mpiray tanindrazana traboina, tsy niandry ela fa nataon’ny JIRAMA laharampamehana androany ny famatsiana ireo milina roa (2) vaovao izay hamerina sy hanatsara ny kalitaon’ny herinaratra ao amin’io distrika io. Hanainga izao alina izao ireo milina 2 vaovao izay manana hery 300 KW ireo ho an’i Distrika Morombe.
Ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo izay mpiahy dia manolotra fisaorana sahady ho an’i JIRAMA ary maniry ny hahavitan’ny asa amin’ny herinandro ambony ho avy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *