: 𝗧𝗥𝗔𝗡𝗦𝗜𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗘𝗡𝗘𝗥𝗚𝗘𝗧𝗜𝗤𝗨𝗘 𝗚𝗟𝗢𝗕𝗔𝗟𝗘
(Berlin Energy Transition Dialogue.23)
Naharesy lahatra ireo mpiara-miombonantoka ny dinika nataon’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Solo ANDRIAMANAMPISOA, nandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ny « BETD 23″natao tany Berlin, Allemagne ny 28 sy 29 marsa 2023.
Nosy midadasika i Madagasikara. Manana mponina 40 isaky ny km2. 33% ny tahan’ny fisitrahana angovo ary mbola mibahana (80%) ny fampiasana angovo tranainy avy amin’ny solika mavezatra sy gazoala. Ampahany amin’ny faritra ihany koa no vatsian’ny orinasam-panjakana (JIRAMA) herinaratra. Ireo toerana lavitry ny renivohitry ny faritra sy ambanivohitra dia vatsin’ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny ADER.
Tsy mipetra-potsiny ny fanjakana malagasy fa nanokana tetibola hananganana 37 « parcs solaires » mitotaly 50MW any amin’ireo toerana tsy misy JIRAMA. Nirosoana ny fampiasana ny angovo azo avaozina, avy amin’ny masoandro, rivotra, rano ka nosokafana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ahazoana famatsiana.
• Bank Mondial amin’ny alalan’ny projet DECIM, fanapariahana 1 tapitrisa « kits solaires », fametrahana « parcs solaires » miisa 32 amin’ny toerana tsy mahazo jirama.
• BAD amin’ny alalan’ny projet PRIRTEM, famerahana ireo tambazotra mampifandray ny faritra.
• PNUD, GIZ, AFD amin’ny alalan’ny fananganana ireo mini réseaux toy ny fametrahana « centrales solaires hybrides » amin’ny tobim-pahasalamana, CHU, ny toerana tsy mahazo JIRAMA.
• Fanohanana ara-teknika sy ara-bola amin’ny alalan’ny PPP (Partenariat Public Privé)
Mba ahafahana manatratra ireo tanjona ireo sy ny hahatratrarana 60% ny tahan’ny fisitrahana angovo hatramin’ny faran’ny taona 2025 dia manamafy ny antso amin’ny fisokafana amin’ireo mpiaramiombon’antoka sy mpamatsy vola ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo tany Berlin.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *