๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐ฝ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป-๐ท๐ถ๐ฟ๐ผ ๐บ๐ถ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ถ๐บ๐ฏ๐
๐ป๐ถ๐ต๐ฎ๐จ ๐จ๐ถ ๐ป๐ถ๐จ๐ด๐จ๐บ๐ฐ๐ต๐จ ๐ต๐ ๐บ๐ถ๐ณ๐ฐ๐ฒ๐จ
Mody ventiny ny rano natsakaina. Niainga tao Toamasina ny hariva teo ireo kamiao lehibe mpitatitra solika hamokarana herinaratra ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo. Mbola hisy hafa hanainga ihany koa rahampitso.
Noho ireo dingana maromaro tsy maintsy arahina amin’ny fampidinana solika dia ny Alatsinainy izao no azo antoka fa hanomboka hihena ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina.
Hitohy andro sy alina ny fampiakarana ireo solika avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ka hahazo ny anjarany ihany koa ireo faritra toa an’i Mahajanga, Toliara ary Antsirabe.
Ankasitrahana ny Fitondram-panjakana izay soloin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo tena, #MEH tsy nandry andro, tsy nandry alina tamin’ny fitadiavana vahaolana.