𝟏𝟔 𝐃𝐄𝐒𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓 | 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 « 𝐒𝐀𝐇𝐎𝐅𝐈𝐊𝐀 »
Noraisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Michaël RANDRIANIRINA, teto amin’ny lapam-panjakana Iavoloha androany ireo Mpamatsy vola niaraka tamin’Andriamatoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, niresaka momba ny tetikasa « SAHOFIKA ».Raha tsiahivina, efa tamin’ny taona 2014-2015 no nisy ny tetikasa « SAHOFIKA » saingy tsy tanteraka izany noho ny antony maro samihafa.
Tokony efa ho namokatra 300MW ny tetikasa « SAHOFIKA » ankehitriny raha toa ka afaka nihodina tao anatin’izay fotoana izay araky ny fanazavana azo. Afaka mamokatra 192MW mantsy ny ampahany voalohany amin’ny tetikasa ary azo ampitomboina tsikelikely izany.
Vola manodidina ny 1.2 miliara dolara no ilaina amin’ity tetikasa ity ary manana anjara betsaka amin’izany ny fanjakana. Ny ambiny kosa dia efa vonona ireto Mpamatsy vola ireto amin’ny fiaraha-miasa. Etsy ankilany, maneho ny fahavononany hiara-hiasa ny fitondram-panjakana, ary efa nametraka ny tetikasa « SAHOFIKA » ho isan’ireo « Projet Hydraulique Prioritaire » na PHP ka izay no anton’izao fihaonana androany izao izay dingana farany hamaritana ny fiaraha-miasa.
Manana hatramin’ny faran’ny taona 2025 isika handaminana ny pitsopitsony ara-taratasy rehetra mikasika izany.
Naverimberina fa tsy mitsahatra ny fitondram-panjakana mitady ny vahaolana rehetra hamahana ny olan’ny fahatapahan-jiro eto Madagasikara satria isan’ny votoatin’ny fitakiana nataon’ny tanora sy ny vahoaka malagasy nandritra ireny tolona natao ireny izany.