𝐂𝐓𝐀2 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐇𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐋𝐀
Mandroso ny asa fanamboarana ireo milina simba ato amin’ny tobim-pamokarana herinaratry ny JIRAMA, CTA2 Ambohimanambola. Valo andro taorian’ny nanombohana izany dia 70%n’ny asa fanarenana ilay milina voalohany no vita. Ny herinandro ambony io no vinavinaina hamokatra 5Mw ity milina ity.
Hirosoana avy hatrany ny fanamboarana ilay milina faharoa aorian’izany ka haharitra folo andro ihany koa ny asa ary hamokatra 5Mw ihany koa. Ny fahatelo kosa dia heverina hanome 2 Mw eo ho eo. Izany hoe hatramin’ny 15Mw no vinavinaina hovokarin’ny CTA2 afaka roapolo andro eo ho eo.
Marihina fa milina iray amin’ireo efatra no mbola mihodina ato amin’ity tobim-pamokarana herinaratry ny JIRAMA ity ka 2Mw no vokatra vokarin’izany milina izany.
Heverina arak’izany fa hihena miandalana ny fahatapahan-jiro mifandimby eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo aorian’izao asa izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *