𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀𝐕𝐀
Tonga eto 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚𝐯𝐚 ny milina mpihary herinaratra vaovao manana tanjaka 150 KW izay hanamafy ny famokarana eto an-toerana.
Tsiahivina fa ny volana desambra no efa niaina sy niaritra fatapatapahan-jiro mifandimby ny mpanjifa eto Analalava nohon’ny fahasimban’ny milina mpamokatra herinaratra iray.
Milina iray 110 KW no nihodina teto raha toa ka 125 KW ny filàna mandritra ny ora be mpampiasa (Heure de pointe). Azo antoka arak’izany fa hanamaivana ny olan’ny fahatapahan-jiro eto Analalava ny fahatongavan’ity milina vaovao ity.
Hitohy any amin’ny Faritra hafa izao hetsika fanapariahana milina mpihary herinaratra izao, izay marihina fa tetik’asan’ny Orinasa JIRAMA, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo #MEH ary ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.